15 taona niarahana : nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto an’i Eric Manana sy i Jenny

Tonga maro nanotrona an’i Eric Manana sy i Jenny ireo mpanakanto. Izay no azo hamintinana ny seho nentin’izy ireo tamin’ny faha-15 taona niarahany nihira tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly tolakandro.

Nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto maro an’i Eric Manana sy i Jenny satria dia tsy nitsahatra nisy mpanakanto hafa nanotrona azy ireo, nandritra ny fampisehoana. Nitambe­rina nandritra izany ireo hira nahafantarana azy ireo tao anatin’izay 15 taona izay, niainga tamin’ireo hira efa teo am-bavan’ny mpankafy toy ny “voron-tsaradia”, “ampazahoy”, “Revirevinay taloha”… hatramin’ireo hira taty aoriana, toy ny “mangily”. Ankoatra ny lokangan’i Jenny izay nampiseho ihany koa ny fahaizany mitendry valiha, dia nandravaka ny seho ihany koa ny lo­kan­gan’i Solofo (Rasoalalao kavia) sy Benja (Sahondra­fi­nina zanany) izay nanome endrika miavaka ny fampisehoana. Tsy hadinoina ihany koa anefa ny feomangan’ireo mpikambana ao amin’ny Feo Gasy, nahitana an-dry Benny, Nini Kolibera… Naredona iha­ny koa ny seho niaraka tamin’ireo zavamaneno tsofina nahitana an-dry Tsanta Randriami­ha­jasoa, Antsa, Titih… Donné Randria Ernest, Tony Toufa Loux (ampongabe sy langoraona). Anisan’ny nahafantarana an’i Eric Manana hatramin’izay ihany koa ny fampisondrotana ireo tanora mpanakanto. Nitondra ny talentany tamin’ity, ankoatra an’i Voara izay efa miaraka aminy matetika amin’ny fampisehoana ataony, vahiny nitondra ny talentany tamin’ity fampisehoana ity i Manou Radonason izay tovovavy vao herotrerony manan-talenta amin’ny fitendrena gitara beso, izay nampitolagaga ireo mpijery ny niangaliany ireo hiran’i Eric Mana­na, toy ny “aza tomany”, “aza ilaozanao” sy ireo kalon’ny fahiny, toy ny “bakobakoroa”.

Zo Ny Aina

Partager sur: