Ilay ray izay tsy ananako: nampihetsi-po mpijery ny tantaran’ireo tanora telo

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny tantara an-kira ravahana dihy, nampitondraina ny lohateny hoe: “Ilay ray izay tsy ananako”. Tantara nosoratan’ny Dr Velonjara Voary, filoha mpanorina ny fikambanana Iza. Tantara nampisehoana ny fiainan’ny tanora telo tafalatsaka tao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena noho ny tsy fisian’ny raim-pianakaviana miahy azy ireo. Nampihetsi-po ireo mpijery tonga maro teny an-toerana izany satria nitantara lalam-piainana tanora izay niainga tamin’ny zava-misy marina sy mifanojo amin’ny fiainan’ny tanora maro ankehitriny. “Niainga avy tamin’ny tantara tena nisy marina niainan’ireo mpikambana sasany ao amin’ny fikambanana ny tantara ka hanokafana ny mason’ny mpijery manoloana ireo zavatra iainan’ny tanora ankehitriny”, raha ny fanazavana voaray.
Ankoatra ny fampisehoana ny tantara an-tsehatra, mandray andraikitra amin’ny ady amin’ny fandraisan’ny ankizy sy ny tanora zava-mahadomelina ihany koa izy ireo. Nentina nandoavana ireo fandaniana rehetra nandritra ny fampisehoana ny vola rehetra azo tamin’izany.« Fikambanana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina eo amin’ny tanora izahay ary aseho amin’ny alalan’ny zavakanto izany”, hoy hatrany ny mpikarakara. Anisan’ny nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny CGM Analakely izy io.

Mino

Partager sur: