Mahajanga : Tobina herinaratra 5MW avy amin’ny masoandro

Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra sy teknisianin’ny Jirama ao Mahajanga ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, ny sabotsy 17 aogositra teo. Nanatrika tao koa ny talen’ny kabinetran’ny minisitra, ny tale iraisam-paritra DIEH Mahajanga ary ny teknisiana avy amin’ny orinasa Enelec sy Henri Fraise Fils & Cie, anisany mamatsy herinaratra ny Jirama ao Mahajan­ga. Nodinihina ny olana misy any an-toerana, sady nikarohana ny vahaolana hahatomombana ny famatsiana ho an’ny mponina sy ny hahatonga­van’ny solika ara-potoana, hamatsiana ireo milina mamokatra herinaratra.
Mahatratra 14 MW ny filana herinaratra ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Namba­ran’ny minisitra MEH, fa ho anisan’ny hisitraka ny herinaratra azo avy amin’ny maso­andro, manana tanjaka 5MW, ny any an-toerana, izay tetikasan’ny fanjakana hiampitana any amin’ny fampiasana angovo azo havaozina.

Hovitaina haingana ny milina simba
Nisy ny fitsidihana ny toerana misy ny milina mamokatra herinaratra. Efa miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsiana ao Mahajanga, taorian’ny fahasimban’ny milina mpamokatra. Nanome toromarika ny minisitra Jean Baptiste Olivier ny hamitana haingana ireo milina sisa tavela mbola manana olana ara-teknika.

Njaka A.

Partager sur: