« Andeha isika hamorona olona tahaka antsika ». Teny filamatra nofidian’ny Faribolana Sandratra hitondrana ilay « Sandran-kalo zara fanahy » fifaninanana miantsa tononkalo karakarain-dry zareo. Fantatra fa 25 no hiatrika ny dingan’ny fifanintsanana anio tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina. Marihina fa tononkalo na sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra no antsain’ireto mpifaninana ireto.
Aorian’ny fisarihana ny anarana, hiroso tsirairay manoloana ny mpitsara avo ao amin’ny Faribolana Sandratra sy ny mpanatrika ny ampahany amin’ny mpifaninana, haneho ny fahaizany miantsa. Mialoha ny hidiran’ny ampahany faharoa, hianoka ao anaty hira sy feon-javamaneno ny mpanatrika. Mihataka fotoana fohy ny mpitsara. Mandritra io, miakatra ny sehatra indray ny mpihira sy mpitendry zavamaneno.
Aorian’izay, miditra avy hatrany amin’ny fanambarana ny vokatry ny fifaninanana ny mpitsara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantarana ireo 15 mianadahy hiatrika ny famaranana, ny 28 septambra. Anisan’ny masontsivana hitsarana amin’izany ny fitafy, ny angola ( na ny fomba hoenti-maneho ny vontoatin’ny tononkalo) ary ny firindrana eo amin’ny hafainganam-panononana sy ny hevi-dehiben’ny tononkalo. Mandra-pahatongan’ny dingan’ny famaranana, hanaraka fiofanana izy 15 mianadahy.
HaRy Razafindrakoto