Nigadona an-tanindrazana omaly, i Lita, mpikambana eo anivon’ny tarika Mage 4, monina any ampitan-dranomasina. Hiatrika ny fampisehoan’ny tarika izy, rahampitso. Araka izany, izy valo mirahalahy, mpikambana eo anivon’ny tarika no hiaraka hanatontosa ny fampisehoana “Hatramin’ny farany” hatao ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.
Famaranana ny faha-35 taon’ny tarika Rebika. Tanterahina eny Antsahamanitra, rahampitso, ny fampisehoana lehibe entina manakatona izany faha-35 taonan’ny tarika izany. Fotsy sy mainty no loko entin’ny tarika miantsehatra mandritra ny fampisehoana, ary hanentanan’izy ireo ny mpankafy, ho fiombonam-po amin’ny fahalasan’i Rampal.
“Revy Mahaleo Taranaka”. Tontosaina, anio hariva, eny amin’ny La Scéne Ivandry, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Mahaleo taranaka. Fampisehoana hikalona ireo hiran’ny tarika Mahaleo hatramin’izay. Vonona ny tarika hanome fahafaham-po ireo mpankafy, amin’ny alalan’ireo zanaka sy taranaky ny tarika.
“Rija Ramanantoanina 35 taona an-tsehatra”. Tanterahina rahampitso, eny amin’ny CC Esca Antanimena ny fampisehona fankalazana ny faha-35 taona nihiran’i Rija Ramanantoanina. Efa vonona tanteraka ny tarika, hanolotra ny hira sy hanome fahafaham-po ny mpankafy mandritra io fampisehoana io.