Be ny fotodrafitrasa natao sy vitan’ny fitondrana tamin’ny fe-potoam-piasana voalohany. Arahaba soa, arahaba tsara… Izay minia mikimpy ihany no tsy mahita: tsy misy distrika hadino? Amin’izao fe-potoam-pitondrana faharoa izao, anisan’ny vaindohan-draharaha ny lafiny maha olona na ny sosialim-bahoaka. Vao nampahatsiahivin’ny filohan’ny Repoblika rahateo tamin’ny fanolorana ny governemanta vaovao fa tanjona voalohany ny fampihenana ny fahantrana izay misy sy iainan’ny vahoaka, ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Hanao ahoana? Tsy vita mora izany, fa mila fidinana ifotony hahalala izay maharary sy ny hetahetan’ny vahoaka, indrindra izay vahaolana haingana sy mahomby ary azo antoka. Foto-drafitr’olona izany?
Misy ohabolana afrikanina iray izay: rehefa tsy fantatry ny tena izay haleha, fantaro izay niaingana. Efa fantatra izay haleha na izay atao: ady amin’ny fahantrana. Ary izay niaingana? Eo indrindra izao… Fantatra ve, ohatra, ny olana fototra? Ny tarazona fomba amam-panao, ny toe-tsaina sy fiasa… Nahoana no mafy sy sarotra ary ela ny hoe fampandrosoana? Manomboka eo amin’ny isam-batan’olo-miaina io, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra… Mifanaraka amin’izay maha izy azy ny olona vonon-kivoatra sy manaiky hampivoarana ve izay atao? Mila lazaina sy hazavaina izay atao, mila atao izay lazaina sy hazavaina. Tsy hoe tian-kano, tsy tian-kano izany. Tsy izay mahafinaritra no atao sy imasoana, fa izay tena mahasoa, maika, mampandroso…
Tsy misy olona hadino? Eny, ny olona rehetra sy ny olona manontolo: fahasalamana, fanabeazana, fanomezana asa… Izay no anisan’ny mahavelona, mampandroso, mampiombona… ? Miara-mihetsika amin’ny fanorenana sy fanarenana ary fanonerana izay tsy vita hatramin’izay.
R. Nd.