Faradoboka faha-35 taonan’ny tarika Rebika: nanjakan’ny fifankatiavana ny tsiahy an-dRampal

Nafana ny fiarahana teo amin’ny tarika Rebika sy ny mpijery tetsy Antsahamanitra. Nifamatotra akaiky ireo mpijery sy ny teny an-tsehatra… Niboiboika ny fifankatiavana teo amin’ny roa tonta…

Feno Antsahamanitra! Na­nakoako teny an-toerana, omaly, nandritra ny fampisehoana nanakatonana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny tarika Rebika, ireo hira nahafantarana sy nampalaza ity tarika ity. Nisongadina ha­trany am-boalohany ny maha seho natokana ho tsiahy an-dRampal an’ito « Faradobo­ka » ito. Niharihary ilay fifamatorana sy fifankatiavana eo amin’ny mpijery sy ny tarika Re­bika. Nisy ny iray minitra fahanginana, tsiahy ho an-dRampal, mpikambana tao amin’ny tarika izay nodimandry tsy ela. Ireo hira noforoniny no nanokafana ny sehatra. Vo­katr’io fifamatorana am-po sy fampanjakana ny fifankatiavana io, niaraka nihira hatrany ny mpijery sy ny tarika Rebika. Nisy aza ny hira nokaloin’ny mpijery fa ny tarika Rebika kosa no nitendry.
Anisan’ny nambabo sy nandona ny fon’ny rehetra ny namerenan’ny tarika Rebika matetika ny fanentanana : « mifankatiava isika » ! Na­namafy io fifamatorana am-po io ihany koa ny nahita ny fifamihinana mafy teo amin’ny mpikambana.

Tarika manana traikefa matanjaka
Nandritra ity faradoboka ity no nampitamberina indray ilay fahaizan’ny tarika mampiara-peo. Nezahin-dry zareo ny nanarona ny tsy maha eo intsony ny feon-dRampal. Vo­katry ny fananana ny traikefa matanjaka eo amin’ny tsirairay sy eo amin’ny fiarahana. Hain’ny tarika ny nandamina sy nandrindra ny feony. Babo ny fon’ny mpijery. Nanjaka ilay fifankatiavana!

Mbola noporofoin’ny tarika Rebika ihany koa fa vonona ny hanome ny tsara hatrany sy hanaja ny mpitia azy ry zareo. Vao nipaika ny tamin’ny 2 ora sy sasany, fotoana hanombohan’ny fampisehoana, avy hatrany dia raikitra. Tsy nisy ny fotoana very.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: