Rija Ramanantoanina : niavaka ny 35 taona an-tsehatra

Fandaharan-kira, nanome fahafaham-po ireo mpitia Rija Ramanantoanina. Ny tolotra nomena teny an-tsehatra, nanana endrika isan-karazany. Nahitana an’i Rija Ramanantoanina sy ireo mpanaraka azy amin’ny zavamaneno sy feo. Tao koa ny fampiaraham-peony tamin’ny antoko mpihira APL. Ny mpitendry zavamaneno, ireo andrarezina sy ny tanora manana ny maha izy azy no tafiaraka teny an-tsehatra. Anisan’ireny i Fy (piano), i Sonn nitendry ny orga Diamondra, i Datita nitendry gitara, i Andry (Quatuor Squad) nandidy ny « violon », sns. Niavaka ny fankalazana ny faha-35 taona an-tsehatr’i Rija Ramanantoanina, omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena. Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanapahana ny mofomamy faha-35 taona an-tsehatra.
Raha ny tazana teny an-toerana, nahazo ampaham-potoana lehibe ihany koa ireo hira mitory ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra, nokaloin’i Rija Ramanantoanina. Nomeny rindra (zavamaneno sy feo…) tsy tahaka ny fahenoana azy hatramin’izay izy ireny. Na izany aza, voatazona hatrany ny fototra, hany ka tafapaka tsara tany amin’ny mpijery.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: