Zary zava-misy iainan’ny zavakanto amin’ny ankapobeny, noho ny fanatontoloana sy ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra ny fahaverezana. Fanabeazana feno anefa ny zavakanto ka tokony hampifanarahina amin’ny fivoarana ho tombotsoan’ny taranaka.
Zavakanto anisan’ny very hasina teto Madagasikara ny tontolon’ny teatra. Maro ny antony nahatonga izany. Misy ny avy ao anatiny, izany hoe, avy amin’ireo mpisehatra eo anivon’ny teatra, ahitana ny mpilalao sy ny mpandrindra an-tsehatra, ny mpamorona… Misy kosa anefa ny avy aty ivelany, ahitana ireo tomponandraikitra misahana ny zavakanto amin’ ny ankapobeny sy ny tomponandraiki-panjakana. Efa miezaka manarina sy mamerina ny hasin’izany ireo tomponandraikitra eo anivon’ny teatra malagasy. Anisan’izany ny fikarakarana atrikasa sy fiofanana maro samihafa, ho fanilo miampita. Eo ihany koa ny seho an-tsehatra isan-karazany, hisarihina ireo mpijery. Nihena ary tena nidina tanteraka ny lanjan’ny teatra malagasy tao anatin’ny 10 taona farany. Anisan’ny antony nahatonga izany ny tsy faharahan’ny teatra ny fivoarana sy fifaninanana eo amin’ny samy zavakanto. Vitsy sisa ny olona mijery teatra izany fa aleony mijery sarimihetsika. Raha ho an’ny teatra malagasy manokana, efa miha vitsy ny famoronana, ambany ny kalitaon’ny seho noho ny tsy fahafehezan’ny mpilalao ny fiakarana an-tsehatra. Vokatr’ izany, nihena ny mpijery teatra, ankavitsiana sisa no ahitana seho teatra. Lasa nampanofain’ny tomponandraikitra ireo antokom-pivavahana sisa ny toerana fanaovana teatra. Anisan’ izany ny Tranompokonolona Isotry sy Analakely. Misy aza moa ny efa narodana mihitsy, sahala amin’ny eny Ambatonakanga. Ankehitriny, efa misy ny ezaka ataon’ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny teatra, anisan’izany ny fitrandrahana mpilalao. Eo ihany koa ny fampiofanana azy ireo hahafehezany ny fiakarana an-tsehatra. Eo ihany koa ny fitakiana ireo toerana fanaovana teatra, izay lasa toeram-pivavahana. Efa misy ihany koa ireo fikambanana mampivondrona tanora liana amin’ny teatra, eny anivon’ireo liseam-panjakana. Antenaina, araka izany, ny hiverenan’ny teatra amin’ny heriny indray.
Lin