Antsahamanitra : hihira ny nampalaza azy ny tarika Tselatra

Hanapoaka! Hanao fampisehoana goavana ny tarika Tselatra, miangaly ny gadona Rock sy Heavy metal, etsy Antsahamanitra, ny alahady 8 septambra 2024 ho avy izao. Nilaza i Eric, mpihira sady filohan’ny tarika, fa hiavaka tanteraka miohatra ny hatramin’izay ity seho ity, satria hatao daholo ny hira rehetra nampalaza sy tena nahafantaran’ny mpankafia ny Tselatra hatramin’izay. Anisan’izany, ny « Fandrosoana », ny « Diso ve aho », ny « Rainay ô », ny « Tsy anjara », ny « Tsy kivy », ny « Mionona », ny « Tovolahy », ny « Misy andro », ny « Alondrano » sy ny maro hafa. Tsiahivina fa niforona ny taona 1982 ny tarika Tselatra.
« Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana. Haharitra adiny roa sy sasany saingy arakaraka ny hafanan’ny mpankafy ihany koa », hoy ihany i Eric.
Mikarakara ny fampisehoana ny La Mozika, izay tohanan’ny orinasa Airtel, entina hampandrosoana ny kanto malagasy. Nilaza ny talen’ny varotra sy ny tsena ao amin’ny Airtel, Raharilalao Julie, fa : «nanaporofo ny fahaizany mikarakara hetsika hatrany ny La Mozika, mba hihaonan’ny mpankafy sy ny mpanakanto».
«Mametraka fanamby vaovao hatrany izahay hanehoana ny maha matihanina, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka», hoy kosa ny tomponandraikitry ny La Mozika, Rakotoarihaja Daddy.

Njaka A.

Partager sur: