Namela zava-tsarobidy ny razana: hampiranty ny « Lovan-draza » i HeryZo Ralaindimby

Manan-karena i Madagasikara. Manana tontolo iainana mahavariana. Manana kolontsaina tsy manam-paharoa, sns. Nolovain’ny Malagasy avy amin’ny razany avokoa ireny. Haneho ny maha sarobidy izany i HeryZo Ralaindimby.

Hanomboka ny zoma
30 aogositra izao, tsy hifarana raha tsy ny 28 septambra. Fampirantiana hotanterahin’i HeryZo Ralain­dimby, eny amin’ny La Tein­turerie Ampasanimalo. Ranty nampitondraina ny lohateny « Lovan-draza ». Fotoana ha­nehoany ny hasarobidin’ireo navelan’ny razana. Amin’ny alalan’ny hosodoko, fampia­sana ny tamban-javatra maro sy fananganana izany mba haneho hevitra no hanaporofoin’ity mpanakanto ity io hasarobidin’ny lova navelan’ ny razana io. Amin’ny ankapobeny, ahatazanana izany ny kolontsaina, ny fifandraisan’ny olona sy ny tontolo iainany.
Hanana endrika isan-karazany ny fomba hanehoan’i HeryZo Ralaindimby ny ha­kan­ton’ny lova navelan’ny ra­zana ho an’ny taranany. Am­pitainy ny fananan’ny « vavaka » nataon’ny Malagasy, hasina lehibe. Tahaka izany koa ireo fomba amam-panao notanterahin’ny razana fahiny. Nahi­tana vokany teny anivon’ny fiarahamonin’ ny Malagasy izy ireny.

Mila ampitaina amin’ny taranaka ireo lova sarobidy

Ankoatra ireo, hanasongadina ny fifandraisana sy ny fi­famatorana eo amin’ny Mala­gasy sy ny tontolo iainany voa­janahary ny fampirantiana « Lovan-draza ». Fiombonana sy fifampiankinana maha­variana! Hampahatsiahy ny maha sarobidy azy io rahateo i HeryZo Ralaindimby. Mbola lova avy amin’ny razana ny tsy tokony hisarahan’ny Malagasy amin’ny tontolo misy azy.
Ankoatra ny maha fampirantiana zavakanto azy, ha­hazo vahana ny fanehoana fa manana lova tsara ny Mala­gasy ka tokony harovana sy hasongadina izany. Mila fan­tatry ny taranaka aty aoriana izy ireny mba tsy ho very an-dalana. Ho tazana eny an-toerana fa anisan’ny manaitra sy mampahatsiahy ny tokony ho anjara andraikitra ataon’ny Malagasy tsirairay manoloana ny hasarobidin’ny lovan-drazana ny mpanakanto sy ny san­ganasany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: