Sarimihetsika malagasy: mitohy ny « Kino Eleber »

Tanterahina anio, eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely, ny « Kino Eleber ». Hetsika ara-javakanto natao ho an’ireo mpankafy sarimihetsika, karakarain’ny sampana misehatra eo anivon’ny sarimihetsika ao amin’ny CGM, anatin’ny tetikasa « Madafilmlab ». Fandefasana sarimihetsika, arahina tafa sy dinika momba ilay sarimihetsika no handrafitra ny fandaharam-potoanan’ny « Kino Eleber », anio. Ankoatra ny fampivelarana ny zavakanto, indrindra ny sarimihetsika malagasy sy alemà, tanjona ny fampivelarana sy fampiroboroboana ary fanomezana sehatra ireo Malagasy misehatra eo anivon’ny sarimihetsika, indrindra ireo vao misandratra.
Sarimihetsika anisan’ny manana ny maha izy azy no alefa eny an-toerana. Matihanina maro no ho tonga hiatrika ny fandefasana izany, misokatra ho an’ny rehetra. Ao anatin’ny tafa no hamelabelaran’ny mpanatontosa ny momba ny teknika sy ny paikady nampiasaina tamin’ny fanatontosana sarimihetsika. Hisy rahateo ireo matihanina hifanakalo hevitra momba izany. Tombony amin’ny hetsika ihany koa ny fifampizarana fahaiza-manao sy traikefa eo amin’ny matihanina sy ny vao misandratra.

Lin

Partager sur: