Fahamaroan’ny mpijery tao Moramanga: indroa niditra ny fampisehoan’ny Iray Fy’Art

Niavaka tamin’ireo fitetezam-paritra nataon’ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, Iray Fy’Art, ny seho notanterahina tao Moramanga, ny alahady teo. Marobe ireo mpankafy tsy tafiditra. Sendran’ny tsy azo anoarana sy ny tsy nampoizina. “Tena feno hipoka sy efa mitsangana daholo ireo mpijery tonga ato amin’ny Tranoben’ny kolontsaina eto Ambohibary. Mbola milahatra lavabe anefa ireo mpijery ka tsy maintsy naka fanapahan-kevitra izahay ny hanaovana ny fidirana faharoa amin’ny seho ataon’ny Iray Fy’Art”, hoy ny mpikarakara. Notantera­hina izany ka nirava tamin’ny 4 ora mahery ny seho voalohany, raha tamin’ny 6 ora sy sasany kosa vao nirava ny andiany faharoa. Tsy nanova ny fampisehoan’ny tarika izany na teo amin’ny kalitao
sy ny lafiny teknika na ny vontoatin’ny tantara sy ny hafatra tiana ampitaina amin’ireo mpan­kafy. Nanomboka tamin’ny hira famantarana ny Iray Fy’Art sy ny seho natao ka hatramin’ ireo fampihomehezana eny anelanelan’ny tantara izany. “Tena matihanina zareo ireto… Voafehiny tanteraka ilay filalaovana tantara, indrindra ny eny an-tsehatra”, hoy ireo mpankafy.
Marobe ireo mpankafy avy eo an-toerana sy ny avy lavitra efa tonga mialoha ankoatra ireo efa namandrika toerana. Eo koa ilay fitiavana te hifanakaiky amin-dry Faly, Rakoto, Synèse sy ry Antsa Ravaka, Niravo sy i Bruno Rakoto­ma­lala!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: