“Festival Alefa Parkour”, andiany fahatelo. Tanterahina anio hatramin’ny 8 septambra izao, etsy amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano. Hetsika ara-kolontsaina mifangaro ara-panatanjahantena karakarain’ny fikambanana Traceur Gasy. Natao hanasongadinana ny fahatokisan-tena sy ny fahaiza-mamorona ary ny fanajana ny hafa. Ahitana fandefasana horonantsary mahakasika ny lohahevitra “parkour”, fampirantiana sy fanofanana momba izany ihany koa.
Fahatsiarovana an’i Rampal. Hanolotra seho amin’ ny alalan’ny Cabaret, ho an’ny mponina ao Tsiroanomandidy ny tarika Rebika, ny zoma faha-30 aogositra izao. Hetsika karakarain’ny natura production. Natao ny hetsika mba hahatsiarovana manokana an’i Rampal, tao anatin’ny tarika izay efa lasa nodimandry. Ezahina ny hanome fahafaham-po tanteraka ireo mpankafy tsy nahatratra ny fampisehoana nataon’ny tarika teto Antananarivo, hoy ny mpikarakara ny fampisehoana.
Concert Henri Ratsimbazafy ranoiray. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 8 septambra izao, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hanotrona ity andrarezin’ny hira malagasy ity, mandritra ny fizarana faharoa, i Mahery sy i Lilie. Ao anatin’ny adiny telo tsy miato no hanomezan’izy ireo fahafaham-po ny mpijery.
Manomboka miteraka resaka maro ny tontolon’ ny « finoana » eto Madagasikara… Tsy tokony hahagaga izany, satria, tsy an’ny Malagasy fa nentim-bahiny ny karazam-pinoana na fivavahana hita sy fantatra ankehitriny. Nanana ny tanjony, rahateo, ny vahiny tamin’ny nampiditra azy ireny tany amin’ny tany na firenena mora badoina. Rehefa voafatotra amin’ny resa-pinoana ny olona, azo « tefena » amin’izay hitiavana azy !