Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Fiadanana ireo solontenan’ny mpianatra monina eny amin’ny Campus Ankatso II, tamin’ity herinandro ity. Laharam-pahamehana ny hamahana ny olan’ireo mpianatra mipetraka eny Ankatso II ireo mahakasika ny jiro sy ny rano ary ny kalitaon’ny trano fonenana. Efa nidina ifotony teny an-toerana ireo tomponandraikitra nijery ny fomba hamahana ny olana teknika. Nilaza izy fa andraikitry ny minisitera ny manetsiketsika ireo tomponandraikitra voakasik’izany.
Tontosa ny famolavolana lahatsoratra handrafitra ny fandaharana miisa 40 halefa amin’ny radio momba ny fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana maharitra, natokana ho an’ny mpampianatra sy mpianatra kilasy T1 sy T4 ary T7, amin’ireo sekoly manodidina ny valanjavaboahary Andohalela, faritra Anosy sy ao Marojejy, faritra Sava. Nahazo fitaovana pedagojika ampiasaina amin’ny fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy fitaovana hanatsarana ny fomba fampianarana ao an-dakilasy ireo sekoly misitraka ny tetikasa.
Vita hatramin’ny 70 % ny asa fanamboarana ny Coliseum ao Fianarantsoa amin’izao fotoana izao. Mahazaka mpijery hatramin’ny 20 000 isa izy io ary hisy fefy sy efitra natokana ho an’ny artista. Hotohizana amin’ny fanajariana ny « Avenue commerciale » ny asa. “Tsy mijanona ho nofinofy intsony ny fanorenana ny ivom-pampandrosoana ao Ambatomena Fianarantsoa araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena” hoy ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahanana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.