Madagascar Mozarteum : hanolotra ny «Soirée classique» i Ilo Rakoto

Miresaka avy hatrany ny piano… Ny hakingan’ny rantsan-tanan’i Ilo Rakoto no miteraka izany. Na feon-kira vahiny, na malagasy, mahasarika ny sofina avokoa ny itendreny azy. Haneho io talentany miavaka io, tsy ho ela, ho an’ny olon-drehetra izy.

Tanora andrarezin’ny fitendrena piano. Ilo Rakoto, mpianatry ny «École Normale de Musique de Paris – Alfred Cortot». Hanatanteraka fampisehoana «Soirée classique», ao amin’ ny efitrano malalaka «Salle de l’Horloge» an’ny Grand Café de la Gare Soarano, izy ny alarobia 11 septambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva.
Fantatra fa haneho ny talentany sy hampiaina izany miaraka amin’ireo ho tonga eny an-toerana izy amin’io fo­to­ana io. Tanora manana traikefa matanjaka sy miavaka amin’ny fitendrena piano rahateo i Ilo Rakoto. Nitarika azy ta­min’izany, i Marian Rybicki, mpampianatra manana ny la­zany maneran-tany eo amin’ ny fitendrena piano sy fampitana fahalalana. Natao hanohanana ireo tanora mandranto fi­a­narana mozika klasika eto Madagasikara sy ho fampivelarana ny talentany ny vola ho azo amin’ity fampisehoana ma­­­­nana ny mampiavaka azy ity.

Ilo Rakoto, nahavita dingana lehibe eo amin’ny fianarana mozika
Efa naneho teo imason’ny olona maro ny fahafehezany mitendry piano. Nilalao ny «La Sonate pour piano no 31» sanganasan’i Ludwig van Beethoven, «Liebestraum n°3» an’i Liszt, «Vetsovetso» sanganasan’i Naly Rakotofi­rin­ga. Nahavariana ny nitendreny ny sanganasan’i Chopin, manana gadona «valse», tahaka ny «La Polonaise» sy ny «2eme Scherzo».
Vao 15 monja i Ilo Rakoto, efa nandrombaka ny «Premier prix d’excellence», tamin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny fitendrena piano, nokarakara­in’ny Madagascar Mozarteum ny taona 2018. Manana mari-pahaizana ambony amin’ny mozika ny tenany. Marihina, fa iray amin’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fampianarana mozika manana ny lazany maneran-tany ny «École Normale de Musique de Paris – Alfred Cortot».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: