Manome tolotra tetikasa ho an’izay vonona
ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy. Natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny «slam» izy ity. Mitady mpiara-miasa amin’ny fanatontosana fifaninanam-pirenena ho an’ny «slam» ny Cercle Germano-Malagasy. Mpikarakara hetsika, na fikambanana efa nanao izany, ka manana traikefa 5 taona no entanina handray anjara.
Ho any Mahajanga hanatanteraka seho ny tarika Jeneraly. Rahampitso 30 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ny Séquence Club. Ny hiran’ny tarika ranoiray no hoentin’izy ireo hanomezana fahafaham-po ny any an-toerana. Fantatra fa anisan’ny maro mpitia ao Mahajanga ny sanganasan’ity tarika ity.
Tafiditra ao anatin’ny Festival «Temps fort danse» andiany faharoa. Hotanterahina ao amin’ny IFM Analakely, ilay fampisehoana soradihy nampitondraina ny lohateny «Ka peau». Ireo mpanao soradihy sy mpandihy anisan’ny kalaza no hanome aina izany dihy izany ny sabotsy 31 aogositra izao, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro. Anisan’ireny i Ange Ralaiherinarivony, Indra Ramparany, Meva Saroy Rasoloson, sns.
Manana ny hasiny ny kabary malagasy. Amin’izao vanim-potoana izao, mbola voatazona ve izany ? Amin’ny ankapobeny, anisan’ny nahasarotiny ny fahiny ny kabary ka nanomezany lanja bebe kokoa ny zoky amin’ny taona, hitondra teny. Tahaka izany koa, ny lehilahy no mikabary… Ankehitriny, ankizy, tanora, vehivavy… Mety nampiova endrika, fa mety ho voakasika ihany koa ny vontoatiny. Saingy, rehefa tsy manao ireo notoloran-kasina, iza no andrasana ?