Nanomboka ny 28 aogositra teo hatramin’ny 1 septambra izao, eto Antananarivo, ny « Festival Alefa parkour », andiany fahatelo. Kolontsain’ ny lalana iray ahafahana miala ny sakana rehetra eny anivon’ ny fiarahamonina. Kolontsaina sy fanatanjahantena izy amin’ ny ankapobeny. Sady fanatanjahantena feno no mamolavola ny saina. Tombony maro no azo, toy ny fahasalaman’ny vatana, fitaizana ara-tsaina hanampy bebe kokoa amin’ny fahafantarana sy hanatrarana ny tanjona. Azo entina miaina ny filozofia ao anatin’ny taranja. “Natao hitaizana saina satria ny 60 % amin’ny zavatra atao dia ao an-tsaina ary ny 40 % no hita sy hatao ety ivelany”, hoy Ranaivomanana Toky, filoha lefitry ny fikambanana Traceur gasy. Nambarany fa tsy mampirisika ny tanora hahery setra fa mamolavola azy ireo hanana fialamboly sy tsy hirona any amin’ny zava-mahadomelina isan-karazany ny tanjona. Amin’ny ankapobeny, anaty efitrano malalaka sy eny ankalamanjana ny hanaovan’ny tanora azy io. Ampiasaina amin’ny tontolo manodidina ary tsy mila fiarovana manokana ity kolontsaina ity.
Mino