Fanararaotra ho an’ireo mpiangaly ny mozika milamindamina eto Madagasikara ny hetsika sahala amin’itony, ahafahana mivelatra sy mampitombo ny traikefa sy fahaiza-manao.
Tanterahina any Nosy Be, nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 1 septambra 2024, ny “Nosy Be Symphonies, Festival de musique classique de l’Océan Indien”, andiany fahasivy. Hetsika ifanomezan’ireo mpankafy mozika milamindamina fotoana, hifanakalozana fahaiza-manao sy traikefa. Mpiangaly mozika maro samihafa manerana izao tontolo izao no tonga miatrika ity hetsika anisan’ny manana ny maha izy azy ity, noho izy natao ho an’ny mozika milamindamina, voalohany aty amin’ ny ranomasimbe Indianina. Ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy io gadona io, tanjona koa ny hampiroborobo ity tontolo ity eto Madagasikara, manampy izany ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny samy mpiangaly azy. Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ ny mpankafy mozika milamidamina ny any Nosy be, amin’izao, ao anatin’ny “Nosy be Symphonies”. Mpiangaly mozika klasika am-polony, avy amina firenena maro sy eto Madagasikara, no mifampizara sehatra ao anatin’izany. Anisan’ireny i Elzbieta Dedek, Bertrand Lavrenov, Meva Salles, Maciej Smoluch, LMM Saxophone Quartet, Madagascar Orchestra, Parany Ramaromisa ary Harry Rakotomampionona. Ankoatra azy ireo, misy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo mpanakanto vao misandratra. Ankoatra ireo hira misy tonony, misy ihany koa ny fampisehoana hanehoan’ireo mpitsoka zavamaneno Saxophone anjara sy ireo atrikasa samihafa hifampizarana traikefa. Azo ambara ho fahombiazana hatrany ny andiany valo tamin’ny
hetsika, natao teo aloha. Mitohy ary ezahina hatsaraina hatrany izany, araka ny nambaran’i Elzbieta Dedek, reny mpiahy ny hetsika. Anisan’ny hampiavaka azy ity koa ny fanatanterahana ny fampisehoana eny amin’ireo toerana sangany ao Nosy Be, sahala amin’ny Mont Passot, mandritra ny famaranana.
Lin