Festival Temps Fort Danse : nizara ny fahaiza-manaony i Kezia Jonah

Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Mada­gascar (IFM) Analakely, ny atrikasa sy fifampizarana, natokana ho an’ireo matiha­nina eo amin’ny dihy, niara­hana tamin’i Kezia Jonah, Malagasy matihanina eo amin’ ny tontolon’ny dihy. Tonga maro nihanoka izany ireo Malagasy matihanina, nandray ny trai­kefa sy nifampizara fahaiza-manao tamin’i Kezia Jonah. Tafiditra ao anatin’ny “Festival Temps Fort Danse” andiany faharoa iny hetsika iny. An­koatra ny tanjona ankapoben’ ny hetsika, tanjona koa ny atrikasa natokana ho an’ny matihanina sy ny hitadiavana fana­tsarana hatrany ho an’ny dihy eto Madagasikara. Malagasy mpandihy miangaly dihy ma­rolafy i Kezia Jonah. Nahazo marim-pahaizana manokana momba izany tao amin’ny Ecole des Sables, sekoly iraisam-pirenena momba ny dihy tranainy, ao Senegal izy. Fio­fanana mahakasika ny dihy maro samihafa ihany koa no natrehiny, ankoatra izay. Sora­dihy anisan’ny tena nahafantarana azy ny “Beloved, oui ou non”. Ity soradihy ity izay efa nandray anjara tamina hetsika iraisam-pirenena isan-karazany ary efa nandrombaka am­boara maro tamin’izany. Araka izany, efa manana traikefa i Kezia Jonah, ankoatra ny fahaiza-manaony, noho ny fianarana sy ny fiofanana natrehiny. “Tombony sy fanararaotra lehibe ho anay ny fisian’ny hetsika sahala amin’izao hampitomboina sy hanatsarana hatrany ny traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny tontolon’ny dihy”, hoy i Tojo, mpampianatra dihy.

Lin

Partager sur: