TARATRY ny KANTO

Hisy valandresaka momba ny tantaran’ny « estival Hosotra », karakarain’ny Fondation H ny 7 septambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tetikasa hoentin’i José Nirina, mpanakanto mpanao hoso­doko, iray amin’ireo namolavola ny « Hosotra » hatrany am-boalohany. Rabeari­velo Dina (hairaha arak’endrika amam-bika), ary i Christian Andriambelo (mpanavao ny asa tanana kanto eto Madaga­si­kara).
Ny valala misy, ny mpilaza mahay! Misy « mpanakanto » mahay fa tsy malaza. Ao koa ireo malaza fa tsy « mahay ». Saika ny sehatry ny kanto rehetra eto Mada­gasikatra, tratran’io tranga io avokoa. Be loatra ny fampia­sana zavatra hafa ataon’ireo « mpanakanto » sasany mba hampalaza azy. Tranga anisan’ny mampirefarefa ny hasin’ny zavakanto malagasy izy io. Matetika, ohatra, ireo kanto tsy manana fototra no mahazo laka eny amin’ny fiarahamonina!
Na nikatona aza ny fankalazana ny faha-60 taonan’ ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, mitohy hatrany kosa ny « Zara fahalalana » tanterahin-dry zareo ao anatina tambanjotran-tserasera. Fotoana hamoaboasana ireo hevi-baventy fonosin’ny teny ka fehezanteny nampiasain’ny Malagasy, saingy, hadino ny fisiany. Ireo mpikaroka sy mpampianatra eo anivon’ity fikambanana ity hatrany no manatanteraka ny « Zara fahalalana ».
Miverimberina matetika ny hoe :« manana ny maha izy azy » ! Saika ahenoina io fehezanteny io avokoa ny fiarahamonina iray manontolo. Fa inona ilay maha izy azy? Tsara sa ratsy? Mety sa tsy mety amin’ny Malagasy?… Mifanaretsaka tahaka izany ny fanontaniana raha mbola tsy voafaritra mazava io « maha izy azy io ». Miasa na ampiasaina ve izy io sa hoenti-mieboebo fotsiny ihany?

Partager sur: