Sarimihetsika : nodimandry i Babiche

Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara. Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-34 taonany, i Harimanana Minouchette Babiche, Malagasy mpilalao sarimihetsika no sady mpanoratra tantara horonantsary ary poeta. Araka ny fikarohana natao, ny aretina teo amin’ny faritry ny tratrany no tena nahatonga ny fahafatesany, ary efa nanomboka ny zoma lasa teo izy no nianjadian’izany.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa ny taona 2018 i Babiche no nanomboka nilalao sarimihetsika. Tao amin’ny Avoko Production no niangany voalohany. Anisan’ireo efa nahafantarana azy hatramin’izay ny horonantsary “Haintso”, ny “Wisa”, ny “Zavona”, ny “Fiainako”, ny “Don-tandroka” ary ny “Miveri-nofo”.
Ankoatra izay, ampahatsiahivina ihany fa sady mpamoron-kira no mpihira ary mpanoratra tantara sy tononkalo ihany koa ity tovovavy iray ity. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Babiche.

Fitia Randria

Partager sur: