“Madagasikara sy ny tontolony” : nomena tombony ireo mpanao Varatava

Hifarana anio ny “Mada­gasikara sy ny tontolony”, fampirantiana sary varatava, nanehoan’ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana Varatava ny traikefa sy ny fahaiza-manaony.Tafiditra tao anatin’ny hetsika “Iray volan’ny varatava” ity hetsika ity. Nizotra antsakany sy andavany ary samy afapo ireo vondron’olona nokendrena tamin’ny hetsika. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto eo anivon’ny fikambanana, tanjona koa ny hampahafantatra sy hampiroborobo ny fanaovana sary, indrindra ny sokajy Varatava. Fam­piran­tiana, atrikasa maro samihafa, tafa sy dinika, velakevitra narahina adihevitra, ireo no nandravaka ny “Madagasikara sy ny tontolony”. Nandritra ny atrikasa no nampiofanana sy nanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao Varatava. Tanjona amin’izany ny hampanakaiky ny tena izy ny sary ataon’ireo mpanakanto. Anisan’ny nitondra ny anjara birikiny tamin’izany fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra izany Razafindrakoto Idah, Mala­gasy matihanina amin’ny fanaovana sary. “Tsy ampy ny fananana talenta fa mila miofana sy mianatra mba hahafantarana bebe kokoa ilay zavakanto, indrindra ireo fenitra iraisam-pirenena maro samihafa”, hoy i Idah. Ny hisian’izao hetsika izao matetika sy amin’ny toerana maro kosa no nangatahin’ireo mpisitraka, mba hampivelatra sy hampiroborobo ny zavakanto, indrindra ny fanaovana sary.

Lin

Partager sur: