Noelim-panavaozana

Hankalaza ny fetin’ny noely na ny krismasy ny mponina maneran-tany, manomboka anio misasakalina. Fotoana voatondro fa nahalatsahan’ny tavonin’i Jesoa Kristy tany Betlehema. Ora niantombohan’ny famonjena ny zanak’olombelona, hoy ny mpino izay resy lahatra. Izy ilay tsy notorontoronina tamin’ny nofo fa noforin’ny Fanahy Masina, ilay « mahagaga ». Izay rahateo ankoatra ny fitsanganany tamin’ny maty « paka na paska » no tena fototra ijoroan’ny finoana kristianina.

 Etsy ankilan’izay, nataon’ny sarababen’ny olona ho fialana sasatra ihany koa ny 25 desambra. Ambohim-pihaonan’ny fianakaviana, ela tsy nifankahita mba hanaovana fety. Vanim-potoan’ny fifamelan-keloka. Hamadihana ny sorisory sy lonilony ho fifaliana. Azo adika tsotsotra hidiovana sy hanadiovana ny tsy metimety rehetra. Andron’ny fifandeferana sy fifankatiavana no hamehezana azy.

Izay indrindra no hanararaotana hanasana ny isam-batan’olona mba samy hampirina ny hambom-po diso toerana, na dia mandalo ihany aza. Fihetsika mety hitondra soa sy fanamavainana ny adin-tsaina atrehana anatin’ny vanin’andro feno fahalovana sy fahasahiranana izao izany. Marina fa sarotra ho an’izay manana ny marina ny mandefitra, indrindra rehefa ho lava. Manahirana ny mifamela, indrindra ho an’ny olona lasibatra sy voan’ny tsindry hazo lena matetika. Tsy tokony hatao mahakivy anefa, satria ny vero raha taingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra, hoy ny oha-pitenenana malagasy.

Ankoatra izany, miaina anatin’ny fahantrana lalina sy tsy fisiana ny ankabeazan’ny vahoaka malagasy. Fotoana ihany koa izao mba itondrana izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ny sahirana. Tsy voatery ny manam-be no afaka mizara fa ny erikerika no mahatondra-drano. Tsiky, teny mamy, eny fa tapa-mofo natolotra tamin’ny fo aza dia efa ampy.

Anisan’ny noely, anatin’ny fahantrana mangitsokitsoka ity indray mitoraka ity. Iaraha-mahalala rahateo ny odidina iainan-dramalagasy, mandrifotsy ny ankamaroany. Mila fifampaherezana sy fifanohanana eny anivon’ny fiaraha-monina. Mila fiovana sy fanavaozana toe-tsaina amim-pahagagana.

r.r

Partager sur: