« Fialantsasatra kanto » : niisa 70 ireo nisitraka fiofanana momba ny fanaovana sary

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanabeazana sy mikolo ny saina ny fiangaliana ny zavakanto. Tsy vitan’ny fananana talenta fotsiny anefa izany, ilaina ny mamantatra ny fenitra eo amin’ny fanaovana sary mba hahatonga­vana eo amin’ny sehatry ny matihanina.

Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­la­kely, nanomboka omaly ary hitohy anio, ny fampirantiana ny sanganasan’ireo mpi­anatra nanaraka ny fiofanana momba ny sary hosodoko, ny sary sokitra ary ny sary lasitra, tao anatin’ny hetsika « Fialan­tsaratra Kanto ». Miisa 70, avy amin’ireo tranomboky monisipaly, manerana an’Antana­nanarivo izy ireo, nandritra ny 2 volana no niatrehan’izy ireo ny fiofanana. Ankoatra ny fampiroboroboana ny zavakanto, tanjona ny hanomezana sehatra eny amin’ny fiarahamonina, izay mitondra fahalalana sy fanabeazana.
Fikambanana mpanao sary hosodoko sy sary lasitra ary sary sokitra maro sami­hafa no nivondrona. Izy ireo izay nanam-piniavana ny ha­nohy ny tetikasa “Kanto ma­nabe”. Tetikasa mikendry ny hitrandraka ny talenta miafina eny ifotony sy hampivelatra ny zavakanto, indrindra ny sary. Anisan’ny lehibe izy ity, satria niainga hatrany amin’ny fampiofanana ireo hampiofana eny amin’ireo Tranomboky monisipaly, isaky ny boriborintany eto Antananarivo ny he­tsika. Ireo mpampiofana nampiofanina ireo indray no nizara isaky ny boriborintany, rehefa vita ny fampiofanana azy ireo.
Anisan’ny dingana famaranana ny hetsika ny fanaovana fampirantiana. Hanehoan’ireo mpiofana ny nampianarina azy ireo. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo nahavita fiofanana. Taratra nandritra ity hetsika ity fa maro ny ankizy sy tanora malagasy manana talenta ary antenaina ho lasa lavitra. Ilaina anefa ny tohana sy tosika sahala amin’izao mba hahafahan’izy ireo mampivoatra ny fahaiza-manaony sy ny talentany ary koa mampivelatra ny zavakantony.

Lin

Partager sur: