“Burn It Up-K – edition” : mitohy ny fampiroboroboana ny zavakanto koreanina

Anisan’ny kolontsaina sy zavakanto miezaka mametraka ny toerany sy ny maha izy azy eto Madagasikara ny kolontsaina koreanina. Tafiditra ao anatin’izany “Burn It Up-K – edition”.

Hotanterahina ny 7 septambra 2024, eny amin’ ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ ny «Burn It Up-K – edition”. Fifaninanana manao dihy sy hiran’ireo mpanakanto koreanina izy ity. Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ny “Festival Temps Fort Danse”, andiany faharoa, izy ity. Ankoatra ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny zavakanto koreanina, indrindra ny dihy sy ny hi­ra, eto Madagasikara, tanjon’ ny “Burn It Up-K – edition” ny fanomezana sehatra misimisy kokoa ireo tanora malagasy miangaly izany zavakanto koreanina izany.
Vondrona tanora malagasy mpanao dihy sy hira koreanina miisa 15 no hiatrika ny dingan’ny famaranan’ny «Burn It Up-K – edition”. Anisan’izany ny Hanitra sy Brenda, Renegades, Flickers, Heaven, Vixens, Onyx, Simplyus, Yrvan, Teletubies, Wangjo, Neria, Micky, Mafamy, Yena ary Aicha. Vola mitentina 800 000Ariary no ho azon’ny laharana voalohany, ho an’ny eo amin’ny sokajy “K-pop Dance”, raha 300 000Ariary kosa ho an’ny “Cover Song”. Ankoatra ireo fifaninanan-kira sy dihy ireo. Misy ihany koa ny fifaninanana fahaiza-maka tahaka fiakanjo sy fihaingo koreanina.
Fifaninanana vokatry ny fanadihadina natao, nezahina hamantatra ny filàna sy ny
tian’ny tanora eo amin’ny zavakanto avy any ivelany izy ity. Malagasy matihanina eo amin’ny sehatry ny dihy iray no tompon-kevitra amin’ny tetikasa. Tao anatin’izany no nahafantarana fa anisan’ny mahaliana sy maro mpiangaly eto Madagasikara ny kolon­tsaina sy zavakanto koreanina. Fotoana hahafahana mifaninanana sy maneho ny fankafizany sy ny fahaizany mandihy sy mihira koreanina, ho an’ny mpandray anjara sy ny mpanohana azy avy, araka izany ity hetsika ity.

Lin

Partager sur: