“Raha ny resaka nifanaovana sy nifanarahan’ny Ceni sy ny Pnud, hisy ny komity manokana hamariparitana izay heverina fa zavatra maika tokony hahazoana mifanome tanana”. Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny
fitsidihan’ny solontena maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (Pnud) vaovao eto Madagasikara, i Edward Christow, ny Ceni. Misy koa ireo vinavinan’asa lavitra ezaka hatramin’ny taona vitsivitsy ho avy izay tokony ho voasoritsoritra sahady amin’ ny fihaonan’izay komity manokana izay. Nitondra hevitra efa notovoziny nandritra ny fotoana nahafantarana fa hiasa eto Madagasikara ny solontenan’ ny Pnud. Nanao fanadihadiana momba ny fiaraha-miasa izy, indrindra ny momba ny fifidianana ho an’ny Ceni manokana.
Naneho ny fahafaham-pony tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Pnud hatramin’izay koa izy ny amin’ny raharaham-pifidianana. Niarahaba ny Ceni izy ny amin’ny fahaiza-manao sy ny fahafehezana ny raharaham-pifidianana. Tao anatin’ny herintaona, fifidianana roa no vita teto Madagasikara. Teo ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote, ary hiditra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ato ho ato. Ankoatra ny fiarahabana sy fanehoam-pankasitrahana, naneho ny fahavononany ny amin’ny hanohizany ny tantsoroka sy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara amin’ny ankapobeny izy, ary amin’ny tontolon’ny raharaham-pifidianana ho an’ny Ceni manokana.
R. Nd.