FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola nisy nanatitra antontan-taratasy firo­tsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eny anivon’ny Ovec, Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izao, olona manon­tany sy maka torohevitra ny amin’ny fakana taratasy no betsaka. Ny fahazoana taratasy fanamarinana ny fiza­kana zom-pirenena sy ny “casier judiciaire” no tena mana­hirana ireo mpirotsa-kofidina.

Mbola handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tananàn’Ivato, fanintelony, Randrianarisoa Penjy, saingy amin’ny alalan’ny tsy miankina fa tsy amin’ny anaran’ny antoko TIM, sahala amin’ny nahalany azy indroa miantaona. Ny zoma izao izy no hametraka izany antontan-taratasy filatsahan-kofidina izany.

Tomponandraikitra miisa 21, avy amina kaominina 10, ato amin’ny faritra Analamanga, distrika Atsi­mon­­drano, no nisitraka fiofanana mahakasika ny “Comptabilité des Matières”. Fiofanana avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajarina ny tany, amin’ny alalan’ny INDDL, ao anatin’ny fandaharanasa Rindra izy ity. Tanjona ny hahafahan’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana manara-dalàna ny amin’ny fitantànana ny fitaovam-panjakana.

Vonona ny hanohy sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana malagasy ny masoivohon’i Allemagne, vaovao, S.E.M Olivier Knoerich. Ankoatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny toekarena ary ny fampianarana. Vonona hanohy izany ry zareo ary hivelatra amin’ny sehatry ny fizahantany ihany koa.

Partager sur: