Namearison Robert : “Mazoto mamonjy propagandy nefa tsy tonga mifidy ny vehivavy”

Ny vehivavy no tena mavitrika sy maro amin’ny fiatrehana fampielezan-kevitra nefa tsy tonga mifidy? Maneho hevitra ny amin’izay ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Ny vehivavy no mandrafitra ny 90% ny mpanatrika fampielezan-kevitra; nefa rehefa tonga amin’ny fifidianana, 15% no tonga mifidy. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny fiatrehana ny fifidianana amin’izao? 
Namearison Robert (-): Manentana ny eny anivon’ ny fokontany amin’ny distrika 11 ny KMF/Cnoe amin’izao. Mampirisika ny fandraisana anjara ny olom-pirenena, indrindra ny vehivavy. Ilaina ny fandraisana anjaran’ny vehivavy. Na ho mpirotsa-kofidina io, na ho mpifidy. Eo koa ny fitetezana fokontany amin’ny  fampahafantarana ny olona ny fifidianana kaominaly. Ny vehivavy no mandrafitra ny 90% ny mpanatrika fampielezan-kevitra; nefa rehefa tonga ny fifidianana, 15% no tonga mifidy. Ny vehivavy koa no maro anisa, nefa anjakan’ny lehilahy ny fitondrana na olom-boatendry na olom-boafidy. Izay no nahatonga anay hoe alohan’ny hanairana ny fanjakana, aleo ny olom-pirenena no beazina mba hiova miandalana izay. Tsy miteny hoe mifidiana vehivavy izahay, fa mampirisika ny vehivavy hirotsa-kofidina sy hifidy. Anjaran’ny olom-pirenena ny mamantatra ny kaominina misy azy, ny asan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, ny fandaharanasa hamaly ny filan’ny kaominina…
* Ahoana ny amin’ny fanabeazana olom-pirenena? 
– Manentana ny firaisamonina sivily izahay amin’ny fanabeazana olom-pirenena, fa tsy ho arakay avokoa i Madagasikara manontolo. Mba tsy ampotomoty ny fifidianana vao hanao an’izay… Miantso ny mpanao politika tena hijery ny tombontsoan’ny kaominina hirotsahany, fa tsy izay an’ny antoko manokana. Izay voafidy eo no hifidy ny loholona. Tokony hiasa mafy ny antoko mitsinjo lavitra mba hahazoany loholona. Mila fanazavana be ny hoe lisitra no hofidina. Na ny kandidà aza, misy mieritreritra hoe rehefa lany ny lohalisitra dia lany avokoa ny mpanolotsaina. Izay no anentanana ny firaisamonina sivily hanazava amin’ny olom-pirenena, reraky ny fahantrana sy fitadiavana ka somary manahirana ny manabe azy. Tena mila fanazavana be io fomba fifidianana vaovao io. Ilaina kokoa ny fifampiresahana na fakan-kevitra sy ny fifanomezan-tanana eto Madagasikara. Na inona fanampiana avy any ivelany, ho reraka ihany raha tsy eo ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny Malagasy.
Nangonin’i R. Nd.
Partager sur: