Fitsinjaram-pahefana: tomponandraikitry ny kaominina 134 misitraka fiofanana

Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 14 septambra 2024, ao Taolagnaro sy Toliara, ny fiofanana momba ny tetibola ara-pandaharanasa sy ny «Comptabilité des matières». Tomponandraikitra avy amina kaominina miisa 134, avy ao amin’ny faritra Androy sy Anosy ary Atsimo Andrefana no misitraka izany fiofanana izany. Ny minisite­ran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny INDDL, izay tohanan’ny tetikasa Mionjo, no mikarakara izany. Tanjona ny hahamatihanina ireo tomponandraikitra eny ifotony amin’ny fikirakirana ny volam-bahoaka, mba hisian’ny fanjakana tsara tantana sy mangarahara.
Anisan’ny tetikady sy vinan’ ny MFFT amin’izao fe-poto­am-piasany izao ny fandavorarina ny fitsinjaram-pahefana eny ifotony. Anisan’izany izao tetikasa izao ho fampiofanana ireo tomponandraikitra eny anivon’ny Kaominina. Anisan’ ny manimba ny endriky ny fitantanana sy ny mpitantana eny anivon’ny kaominina ny tsy fangaharaharan’ny fitantanam-bola. Maro anefa ireo tomponandraikitra eny anivon’ ny kaominina tsy manana fahaiza-manao momba izany fitantanam-bola izany, indrindra ny tetibola ara-pandaharanasa. Izany indrindra no nanaovan’ny minisitera tomponandraikitra, izao fiofanana izao. Betsaka ireo Kaominina avy amin’ny faritra maro no efa nisitraka ny fampiofanana.

Lin

Partager sur: