Ambanja : olona 22 nikasa hiondrana antsokosoko

Tsy mety fay mihitsy! Teo am-pikasana ny hiondrana antsokosoko hihazo an’i Mayotte indray ireo olona 22 no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary tao Ambanja, afakomaly misasakalina. Nahazo loharanom-baovao ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Nosy Be sy Ambanja momba ny fisian’ireo andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko mandeha sambo haingam-pandeha voalaza fa hihazo an’i Mayotte. Tsy niandry ela fa nanao ny fanamarinam-baovao avy hatrany ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’ireo andian’olona ireo tao amin’ny toerana antsoina hoe Antoremba, fokontany La­doany, kaominina ambanivohitr’ Ambohimena, distrika Ambanja. Teo am-piomankomanana ny hanainga mihitsy izy ireo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Vokany, olona 22 (ahitana lehilahy fito, vehivavy 11, ankizikely efatra) indray voasambotry ny zandary. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny olona roa nikarakara izao fandehanana hiondrana antsokosoko izao. Nitohy ihany ny fisavana nataon’ny zandary ka nandritra izany no nahitana gony miisa 29 feno rongony milanja 650 kg, gony 39 feno toaka « Sambo », mitotaly 1 000 litatra. Nogiazana avy hatrany ireo entana tratra ireo niaraka tamin’ireo andian’olona. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Hell-Ville.

J.C

Partager sur: