Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Mihamarin-toerana i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena»

“Mihamarin-toerana i Ma­dagasikara na eto amin’ny faritr’i Afrika na any amin’ny sehatra maro samihafa”, hoy ny tatitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fifandrai­san’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Betsaka ireo fivoriana iraisam-pirenena efa noraisina. Vao herinandro vitsivitsy izay, nandray ny Cop 11. Handray ny fivorian’ireo mpandray anjara sy mpamatsy vola ao anatin’ny Africa 50 isika amin’ny 19 septambra. Hita miharihary
ny fahazoan’i Madagasikara man­dray ny toerana tokony hisy sy sahaza azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ireo sehatra tsy mbola nisy na tsy nahitana firy an’i Madagasikara teo aloha; ankehitriny, miverina ary mandray anjara sy toerana tokony hisy azy i Madagasikara eny anivon’ireny sehatra ireny.
Handray feno amin’ny fihaonamben’ny Firenena mi­kambana (ONU) faha-79 any New York, Etazonia, i Mada­gasikara: tsy ho mpandray anjara tsotra, fa manana ny laharan-toerana misy azy
amin’ny maha filoha lefitry ny fihaonambe: afa-misehatra amin’ny sehatra hafa fa tsy voatery ho ao anatin’ny vondrona isiana ihany. Haha­zoana mampahafantatra ireo laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara izany, manohy ny fomba fijery eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena ary mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra amin’ireo lohahevitra lehibe iadian-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy firenena mitokana i Madagasikara ankehitriny fa hoe Nosy, fa anisan’izao tontolo izao: afa-mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: