Miseholany ny trangana fakana an-keriny! Vehivavy roa sy lehilahy iray indray nalain’ny olon-dratsy takalonaina tao Babangy, fokontany Mamavo, kaominina ambanivohitra Brieville, distrika Tsaratanana, ny zoma 12 septambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ny jiolahy dimy nitondra Kalachnikov. Nanambana fitaovam-piadiana ny tompon-trano ny mpandroba, tamin’ny 9 ora alina. Nitaky vola sy nandroba izay nilainy tao izy ireo. Tsy vitan’izay, norahonany avokoa ny iray trano. Nentiny nanaraka azy ho takalonaina ny olona miisa telo. Renim-pianakaviana 52 taona ny iray. Vehivavy sy lehilahy ny roa hafa.
Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona taorian’ny tranga. Tetsy ankilany, namory ny ekipany ny lehiben’ny zandary sy ny Tafika miasa ao an-toerana. Namolavola paikady hanatrarana ireo mpaka an-keriny. Disadisa, araka ny fanamafisan’ny zandarimaria, ny herinandro lasa teo, olana sosialy eny anivon’ny fiarahamonina matetika, no mitarika ny tranga fakana an-keriny.
Ho an’ny tranga niseho tao Anjozorobe farany teo, izay nisamborana olona 20 mahery, nitarika ny fangalana takalonaina nataon’ny dahalo ny olan’ny tsy fananan-drano sy ady tany. “Miteraka lonilony eo amin’ireo mpiray monina izany”, hoy ny fanamafisan’ny kaomandin’ny tobim-paritra Analamanga. Na izany aza, nanamafy ny paikady hanatrarana ny atidoha amin’ny fakana an-keriny amin’ireo distrika voasokajy ho faritra mena, toy ny ao Anjozorobe, Ankazobe sy ny manodidina, ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana momba ity fakana an-keriny tao Brieville ity. Tsiahivina, naiditra am-ponja avokoa ireo 26 mianadahy voasaringotra tamin’ ny fakana an-keriny tao Anjozorobe, ny herinandro lasa teo.
Tsiferana R.