Antananarivo Renivohitra : ny PDS teo aloha no saika ho kandidà

“Raha ny hitsiny sy ny rariny, izy no tokony ho natolotsika ho kandidà ben’ny Tanà­nan’ An­tananarivo.” Io ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tamin’ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan’ny loholona teo aloha sady PDS Antananarivo Renivohitra teo aloha, Rama­nambitana Richard, teny amin’ ny Lapan’ny Tanàna, Anala­kely, omaly. Olona nametra­hany ny fitokisana manokana izy: notendrena ho loholon’i Madagasikara. Noho izay fitokisana sy ny fahavononany ary fitiavany tanindrazana sy ny asa nampanaovina azy izay, tsy nisalasala ny filoha nametraka azy hitantana ny tanànan’ Antananarivo. Olona tena manana fanoloran-tena izy tamin’ny asa rehetra nataony: nanana finiavana, namana, mpiara-dia hatrizay teto an-toerana; eny, na hatrany ivelany aza. Niara-nandinika izay ho fanovana hoentina eto Anta­nanarivo mba ho maodely amin’ny filaminana sy ny fahadiovan’ny renivohitra izy ireo. Nanana vina izy: “Antanana­rivo madio, mirindra sy mandroso”, izay fanamby ary vina nifampizarana. Natao ny tetikasa ary vita ny lamina rehetra. Nefa mifarana eo ny diany, na faniriana aza ny hanohizana an’izany andraikitra izany.
Nisy ny fotoam-pivavahana fohy ho fampaherezana ny fianakaviana. Taorian’izay, nakarina eo amin’ny laharam-boninahitra Commandeur de l’ordre nasional malagasy izy. Nano­trona ny filohan’ny Repoblika tamin’izany Rtoa vadiny, Mialy Rajoelina; ny mpikamban’ny governemanta, loholona, depiote… Teny amin’ny FJKM Fenoarivo no nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, mialoha ny nanafenana azy eny amin’ny fasan-drazany Tsitakondava (PK 52. RN 4).

R. Nd.

Partager sur: