FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tetsy Anosy, omaly, ny ambasadaoron’ny Repoblika arabon’i Egypta, Rabab Saïd Abdou Abdelhadi. Voaresaka tamin’izany ny amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Eo koa ny amin’ny fifanohanana amin’ny fifidianana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay andraisana anjara.

Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara Volamiranty Donna, omaly, fa mitovy avokoa ny fepetra takina amin’ireo mpirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna amin’ireo kaominina 1 695. Samy voafehin’ny lalàna avokoa ny rehetra amin’ny fiatrehana izay fifidianana hotanterahina amin’ny 11 desambara izay.

Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, teny Anosy, ny masoivoho vaovaon’ny Repoblika Federalin’i Allemagne, S.E.M Olivier Knoerich. Ankoatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, noresahina ihany koa ny mahakasika ny diplomasia parlemantera.

Partager sur: