Rakotoson Andriamiraho Hoby :”Mila hamoraina ny fanomezana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina”

Mahabe resaka amin’izao fifidianana kaominaly izao ny fikarakarana antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Hanao ahoana hatramin’ny fotoana farany? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaoisamonina sivily miantsehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny fikambanana ny Angady, Rakotoson Andriamiraho Hoby: “Entanina koa ireo mpikarakara fifidianana hanamora ny fanomezana ireo taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly amin’izao?
Rakotoson Andriamiraho Hoby (-): Vitsy ireo mpirotsa-kofidina… Manentana azy ireo havitrika amin’izany. Entanina koa ireo mpikarakara fifidianana hanamora ny fanomezana ireo taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina. Eo ny sampandraharahan’ny hetra momba ny taratasy fandoavan-ketra, ny fitsarana amin’ny fanomezana fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ny Ceni amin’ny fanomezana fanamarinana fa ao anatin’ny lisi-pifidianana ny kandidà… Misy, ohatra, kandidà monina amina kaominina hafa, nefa mirotsa-kofidina amin’ny toerana ivelan’izany noho ny fisian’ny tombontsoa arovana amin’izany na fitiavana manokana ilay kaominina. Manan-jo hirotsaka amin’izay toerana iriny hirotsahana ny tsirairay.
* Inona no tokony hataon’ ny olom-pirenena amin’ izao?
– Zava-dehibe na ny fifampitana sy fifampizarana vaovao aza… Tsy mitsahatra mandefa izany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, ohatra, ny Ceni; efa misy antontan-taratasy koa apetraka eny anivon’ny kaominina… Mba ho mora ho an’ireo kandidà ny manangona an’ireo taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina. Efa ampiomanina sahady koa ny olom-pirenena hiatrika fampielezan-kevitra amin’ny 19 novambra hatramin’ny 9 desambra. Mahakasika mivantana ny fampandrosoana ifotony ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Aleo hifantoka amin’ny politika fampandrosoana ny tanàna amin’ny fampielezan-kevitra, fa tsy amin’izay fomba fanao tsy mety amin’ny fahazoan-javatra mandalo: tee-shirt, kasikety, vola… Eo ny vinam-piarahamonina sy ny fandaharanasa hatolotry ny kandidà.
Lisitra no hofidina amin’io fifidianana io, ary samy tomponandraikitra ny kandidà hatramin’ireo mpisolo toerana telo. Ilaina ny mampahafantatara ireo mpiray lisitra rehetra, satria miara-mampandroso ny tanàna. Tsy voatery ho voafidy avokoa ny mpiray lisitra raha lany ny lohalisitra na ny ben’ny Tanàna, fa arakaraka ny vato no ikajiana ny toerana azo. Mila tomombana ny fampielezan-kevitra.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: