Fifidianana kaominaly: nihemotra ny fara fandraisana antontan-taratasy

Neken’ny governemanta ny fangatahana avy amin’ny Vaomiera mahaleotena misa­hana ny fifidianana (Ceni), ny amin’ny fanemorana ny daty fara-fandraisana ny an­tontan-taratasy filatsahan-kofodina ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Ny filankevitry ny governemanta natao ny talata 17 septambra 2024, teny Mahazoarivo, no nandraisana ny didim-panjakana manova ny didim-panjakana laharana 2024 – 1495, ny 6 aogositra2024, mahakasika ny fikarakarana ny fifidianana kaominaly hatao ny 11 desambra 2024 izao. Lasa ny 26 septambra 2024, araka izany no fara-fandraisana ny dosien’ireo kandidà, raha tokony ho anio.
Fahamaroana sy fahasarotan’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany no anton’ny fangatahan’ny Ceni ny hanemorana io daty fara-fandraisana antotan-taratasin’ny kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina io. Hatramin’ny omaly, kandidà 267, amina kaominina 228, no nanatitra antontan-taratasy filatsahan-kofidina teny anivon’ny Ovec. Araka izany, kaominina 1467 amin’ireo 1695 no mbola tsy manana kandidà. Ireo taratasy alaina eny anivon’ny fitsarana, sahala ny fanamarinana maha olom-pirenena sy taratasy firaketana heloka, no tena manahirana ireo mpirotsa-kofidina, araka ny nambaran’ireo efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahany hofidina.

Lin

Partager sur: