Fiatrehana fifidianana : mbola afaka mitaraina izay tsy anaty lisitra

Mbola misy ny azo atao hisitrahana ny zo hahazoana miatrika ny fifidianana kaominaly amin’ny 11 desambra… “Misy ny olom-pirenena, na mpifidy tsotra na te hirotsa-kofidina amin’ny fifidianana, manontany: nahoana no nisy fotoana niditra tao anatin’ny lisi-pifidianana nefa tsy mbola tafidtira amin’izany hatramin’izao?”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny fisian’ny fitarainan’ny olom-pirenena sasany te hirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna na mpanolotsain’ny Tanàna nefa tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana. Ny amin’izany, mifandray amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ny eo anivon’ny Ceni, mampahafantatra ny fisian’ny And. 42 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, izay manome fahefana ny eny anivon’ny fitsarana. Rehefa mandinika ny antontan-taratasin’izay manao fitarainana dia manome fahefana ny fitsarana handray didy hitsivolana hahazoana mampiditra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Tsy afa-mampiditra anaran’ny olona manao fitarainana avy hatrany ao anatin’ny lisi-pifidianana ny Ceni, raha tsy mahazo didy hitsivolana avy amin’ny fitsarana. Manao antso avo ny olom-pirenena tsy tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana ny Ceni hampiasa izay And. 42 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana hahazoana mampiditra ny anarany.

R. Nd.

Partager sur: