FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny famindrana sorabolan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantam-boka ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony amin’ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Village de la Francophonie. Hetsika eo anilan’ny fihaonana an-tampony faha-19 ny Frankofonia, any Paris, amin’ny 2-6 okobra izy ity.
Nolanian’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, koa ny didim-panjakana manendry an’i Belalahy Hanitriniaina ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Toy izany koa ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lah. 2024-1384 tamin’ny 10 jolay 2024, nanendry an-dRakotovao Andry ho governora mpisolo toerana ny faritra Atsinanana.
”Une Afrique, Une Voix”. Manana solotena mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny kaomisiona maharitry ny Parlement Panafricain (PAP) i Madagasikara, amin’ny alalan’ny solombavambahoaka Rajerison Antoine, izay voafidy handrafitra ny birao maharitry ny PAP. Ny 18 hatramin’ny 23 septambra 2024,ao Afrika Atsimo, no hanatanterahina izany. Ny fanajana ny zon’olombelona, ny fandriampahalemana ary ny fambolena sy fiompona no resahina mandritra izany.
Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), eo amin’ny serasera sy fifandraisana ho an’ny CUA sy ny mponina eto Antananarivo Renivohitra. Ventin-dresaka anisan’ny nivoitra izany, nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna sy ny PDS an’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala.

Partager sur: