Ninah Raharivololoniaina : nirotsaka ho ben’ny Tanàna ao Ivato

Tafapetraka, omaly, teo anivon’ny Ovec etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eo anivon’ny kaominina Ivato ho an-dRaharivololoniaina Ninah, omaly. “Ivato tsy manavaka” no teny filamatra entiny. Manana vina manokana hanatsarana ny seha-politika hitantanana ny kaominina Ivato izy. “Ho avy tsy ho ela ny fotoana ahafahana mamelabelatra izany”, hoy ny nambaran’ny nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety. Niara-niatrika ny fametrahana ny antontan-taratasin’
ity kandidà avy amin’ny antoko tsy miankina ity teny an-toerana ireo mpanolotsaina sy ny solontenan’ny vahoakan’Ivato avy amin’ny fokontany 12 mandrafitra azy. Hotanterahina 11 desambra ny fifidianana.

Tsiferana R.

Partager sur: