Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra : hanao famaranana amin’i Madagasikara i La Réunion

Nahazo ny tapakila hiadiana ny medaly volamena ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Resin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana i Comores. Toy ny tamin’ny taona 2007 ihany ny famaranana ny taranja baolina kitra ho an’ity lalaon’ny Nosy ity. Hiverina hifanandrina amin’i La Réunion indray i Madagasika­ra, ny sabotsy 2 septambra ho avy […]

Sombim-baovao

Samy tafakatra amin’ny dingana famaranana avokoa ny sokajy lahy sy vavy, taranja volley, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Seta 3 no ho 2 (27-29/29-27/26-24/25-18/15-11) no nandresen’i Madagasikara an’i Maurice, sokajy vehivavy. Seta 3 no ho 0 kosa no nandavoan’ny ekipa malagasy an’i Seychelles, sokajy lehilahy. Hatao amin’ity zoma ity […]

Atletisma: nanjakan’ny Malagasy ny 400 m, sokajy vehivavy

Niditra tamin’ny andro fahatelo ny taranja atletisma, omaly alakamisy. Fifanina­nana notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia hatrany. Anisan’ny nisongadina ny zava-bitan’ny Malagasy teo amin’ny 400 m, vehivavy. Nan­jakan’i Madagasikara ny fifaninanana. Malagasy avokoa mantsy no telo voalohany. Vao teo am-piaingana dia efa nitarika tamin’ny hazakazaka i Namahako Cynthia, izay tsy nisy […]

Mitarika hatrany: Medaly volamena 92, volafotsy 55 ary alimo 69 ho an’ny Malagasy

Miakatra hatrany ny isan’ny medaly azon’ny atleta malagasy ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany ny Malagasy. Efa tafakatra 92 ny medaly volamena, 55 ny volafotsy ary 69 ny alimo ho an’i Madagasikara, amin’izao telo andro tsy hifaranan’ny lalaon’ny Nosy izao, ka […]

Seha-pihariana : 60 taona ny Agro Ankatso

Mankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny sekoly ambony manofana momba ny fambolena sy ny fiompiana (Agro) eny amin’ny oniversite Ankatso. Misy ny hetsika atao mandritry ny 3 andro ary hifarana anio. Nanamarika izany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny “Izaha-groupe”. Hametrahana ny “Agri-business academie” eny anivon’ny sekoly. “Fototra iorenan’ny fampandrosoana izany”, hoy […]