Auteur/autrice : Adnews

Fihaonambem-pirenena : miantso ny FFKM hitarika ny Ceni hanara-dalàna ny MMM

Nambaran’ny filoha nasioa­lin’ity antoko ity, Andrianainari­velo Hajo fa tokony hiverina anatin’ny fanarahan-dalàna sy ny fahamarinana amin’ny fanomanana ny fifidianana ireo Andrimpanjakana sy rafitra samihafa. “Be loatra ny tsy fanarahan-dalàna ary mbola mitohy hatramin’izao ka tokony hojerena izany ahazoana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra”, hoy izy tamin’ny fihaonambem-pirenena, nokarakarain’ […]

Misaona ny tontolo politika : nodimandry Andrianarivo Tantely

Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-69 taonany, ny Prai­ministra teo aloha, Andrianarivo Gabrio Tantely. Efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ny tenany fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka Didier. Teo ny naha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy, teo anelanelan’ny taona 1998 hatramin’ny 2002, nianjeran’ny fitondrana sosialista sy ny Arema. Nialoha izany ny naha […]

Fanambarana filatsahan-kofidina : Raobelina Andry, kandidà ho filoham-pirenena

Nanambara ny haha kandidà azy ho filoham-pirenena koa Raobelina Andry, miaraka amin’ny antoko Anjomara rivo-baovao (ARB). Mpilatsaka hofidina faha-15 izany izao izy. Nambarany tamin’izao filankevitra nasionalin’ izy ireo izao fa tsy afaka ny mbola hizaka 5 taona manaraka ao anatin’ny fifandroritana politika, miteraka fihemorana toy izao ny fire­nena. “Tsy maintsy […]

TARATRY ny KANTO

Skual, D’yem. Nodimandry teo amin’ny faha-32 taonany Rakotonirina Mamy Lalaina Thierry na Skual, ao amin’ny tarika D’yem. Ankoatra ny fihirany tao amin’ny tarika D’yem, nanao hiram-piderana ihany koa izy. Ny zoma izao no hiala eny an-tranony, eny Namontana ny razana, ary hoentina any Ambositra. Ny sabotsy kosa no handevenana azy […]

Fanentana lanonana – Kabary: 10 taona nampianarana i Rado Havozo

Mpampianatra kabary eo anivon’ny Havozomanitra Mi­kabary i Rado Havozo. Mandia ny faha-10 taona ny nanatontosany izany. Homarihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa io vanim-potoana io, ny 3 septambra izao, eny amin’ny sehatra maitson’Ambohima­hi­tsy. Manomboka amin’ny 1 ora, hiaka-tsehatra ny tarika Diary. Amin’ny 2 ora latsaka fahefany, fanombohan’ny la­nonana hafanain’ny tarika Ga­sikara […]