Nivoaka tamin’ny fanginany ny lehiben’ny fampanoavana, eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo. « Tsy nanao fampiantsoana ny filohan’ny Repoblika malagasy izahay. Diso tanteraka ny filazana fa nisy taratasy nanaovana “assignation” nosoniavinay ka nalefa teny amin’ny fiadidiana ny Repoblika na tamin’ny filoha », hoy ny tonian’ny mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra. Ankoatra izay, nitondra […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanahian’ny mpanao politika: nanome toky ny hisian’ny fifidianana ny praiminisitra
Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tetsy Anosy, omaly fa hatao ny fifidianana ary efa navoaka ny tetiandro momba izany, miaraka amin’ny lalàna. “Efa miditra amin’izany isika izao. Manamafy izany fa miroso isika ary mandray ny andraikiny ny Ceni sy ny goveremanta ahatongavana amin’ny fifidianana madio”, hoy izy. Notateriny koa ny dinika […]
INDRAY MIJERY
Ho maina tanteraka ny andro amin’ny faritra rehetra manomboka rahampitso, araka ny voalazan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hiverina hiakatra miandalana ny maripana manomboka anio. Nahitana fahatsarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo satria manodidina ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray. Ho fanohanana ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana […]
CPTPM : feno 43 taona ny vondron’ny manana mari-pahaizana ambony indrindra
Nanamarika ny faha-43 taona nijoroany teny Ivato, ny talata teo, ny fivondronamben’ny manana mari-pahaizana ambony indrindra eo anivon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika eto Madagasikara (CPTPM). Haharitra 3 andro ny fanamarihana izay handinihana lohahevitra marolafy. Vaindohan-draharaha amin’izany ny fanarenana ny fampianarana ambony izay latsaka an-katerena ankehitriny. Hivoaka amin’ny fehin-kevitra […]
Mpianatry ny ENS : fifanarahana arak’asa 814 hozaraina
Navoakan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny momba ny fifanarahana arak’asan’ireo mpianatra nivoaka avy ao amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) nangataka hiditra amin’ny asa fampianarana eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalazany fa 814 ny fifanarahana arak’asa sy ny didim-pitondrana vita, 39 mbola eo anivon’ny «contrôle financier», 19 nahitana tsy fahatomombanana, 54 fitarainana, 24 […]




