Auteur/autrice : Adnews

Fivorian’ny OMS Afrika : nisongadina ny tsy fahampian’ny “paramédicaux”

Maneran-tany mihitsy ny tsy fahampiana “paramédicaux” miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izy ireny indrindra anefa no tena akaiky ny marary sy mikarakara azy ireo. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ary haharitra hadimiana ny fivoriana faha-73 tontosain’ny vaomieram-paritry ny Sam­pan­draharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) aty Afrika, tanterahina ao Botswana. Hozaraina […]

Seho sehatra ho an’ny tanora: nifarana ny hetsika, nalai-nisaraka ny mpandray anjara

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho sehatra ho an’ny tanora ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara, ity. Telo andro no nanatanterahina ny hetsika saingy feno firaisan-kina sy firahalahiana tokoa ny fifandraisan’ireo tanora mpandray anjara. Niray feo ireo tanora nanambara fa tombony lehibe […]

Atletisma: noporofoin’i Sidonie ny maha andrarezina azy

Na tsy salama aza i Sidonie Fiadanantsoa, mbola norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 100 m misy fefy, vehivavy, taranja atletisma. Andro faharoa notanterahina omaly alarobia, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tontosany, tao anatin’ny 13 s 14 ampahazatony izany. Nifampitady hatrany am-piaingana izy sy ilay rénionais, i Esther Conde Turpin, tonga […]

Taranja tenisy: nampian-dRanaivo Mialy iray ny medaly volamena

Nafana tanteraka ny lalao famaranana, lalao ho an’olon-tokana “simple”, lahy sy vavy tetsy Ambohidahy, omaly. Lasan’i La Réunion ny volamena teo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka azon’i Madagasikara izany ho an’ny vehivavy. Notanterahina tetsy amin’ny Acsa Ambohidahy, omaly 30 aogositra, ny lalao famaranana ho an’ny taranja tenisy ho an’olon-tokana […]