Auteur/autrice : Adnews

Doka miabo

  Raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara isika, toa tsy misy raha manjary izany. Sahala amin’ny hoe dia mainty avokoa izay jerena. Mena mampatahotra daholo ny famantarana eny amin’ny fiarahamonina. Mahakivy sy mahavery fanahy mbola velona ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tsy ampy intsony ny teny hilazana ny faharefoana amin’ny lafiny […]

Fizahantany: 110 000 nitsidika an’i Madagasikara nanomboka ny janoary 2023

Madiva hifarana ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe, mahamaro ny vahiny mitsidika an’i Madagasikara. Araka ny antontanisan’ny minisiteran’ny Fizahantany, maherin’ny 110 000 ny vahiny tonga teto amintsika, nanomboka ny janoary 2023. Nitombo ny mpizahatany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Naherin’ ny 25 000 ny mpizahatany nankaty Madagasikara nandritra ny volana jolay 2023 […]

Tselatra

Renim-pianakaviana 72 taona hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Analaroa, kaominina Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny lehibem-pokotany. Nisolifatra tamin’ny sisin-drano ka latsaka ary tsy tafarina intsony ity namoy ny ainy ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fizahan’ny mpi­tsabo. Resevera iray namoy ny ainy voan’ny bala […]

Avy nijery lalaon’ny Nosy: tovolahy roa indray voaendaka sy voatsatoka antsy

Niharan’ny fanendahan-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana teny Ampefiloha akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be ny tovolahy roa, afakomaly hariva. Avy nijery lalaon’ny Nosy, taranja basikety, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina izy roa lahy no nifanehatra tamin’ny jiolahy. Mipetraka eny Ambanilalana Itaosy ireto niharam-boina ireto. Niandry taxi-be ho any Itaosy teo Ma­ha­masina izy ireo saingy […]

Renikely nosamborina : nodorany ny tanan’ny zan-badiny

Mitohy ny fanadihadiana ny renim-pianakaviana iray 35 taona voarohirohy ho nanao herisetra tamin’ny zanaky ny sakaizany. Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Sambava izy afakomaly hariva, rehefa fantatra fa nanao herisetra tamina ankizy tsy ampy taona. Naharay fitarainana tamin’ny mponina ny polisy fa misy ramatoa iray mpitazona toeram-pisakafoana manao herisetra […]