Auteur/autrice : Adnews

Nanomboka ny 2018: miaina anaty fahantrana ny 66,9% amin’ny zaza

Mahazo vahana ny fahantrana lalina eo anivon’ny fianakaviana. “Indrindra ireo entin’ny renim-pianakaviana irery izay tsy nandia fianarana na nisara-bady”, hoy ny MODA. 66,9% amin’ny zaza malagasy no iharan’ny fahantrana marolafy. Antontanisa tsy niova nanomboka ny taona 2018 no ho mankaty, araka ny fanadihadiana momba ny tsy fisitrahan’ny ankizy ny zony […]

Seho an-tsehatry ny tanora: niara-nankafy ny “Bodu Beru” ny rehetra

Tontosa omaly, teny amin’ ny Arena Ivandry, ny andro fa­haroan’ny « Volet Jeu­nesse », na ny seho an-tsehatry ny tanora, mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany fahatelo ity. Nisy ny seho an-tsehatra manokana nataon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Maldives, anisan’ny nampahafantarin’ izy ireo tamin’izany ny “Bodu Beru”. Ankoatra izay, nisy ny fampahafantarana […]

Ping-pong : nahazo medaly volamena ny isan-tarika, lehilahy

Tsy nitsanga-menatra ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo, nandrombaka medaly volamena ihany koa ry zareo, tamin’ny alalan’ny ekipa isan-tarika, lehilahy, nahitana an’i Nativel sy i Zo ary i Luciano. Fihaonana, notanterahina omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafon’ny Zone Forello Tanjombato. Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 2 i Maldives […]