Auteur/autrice : Adnews

Antoko Fiombonana: manameloka ny tandrevaka

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Fiom­bo­nana, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tranga niseho tetsy Mahamasina ny zoma hariva ka nahafatesana olona am-polony. “Miara-manaiky isika rehetra fa samy tomponandraikitra avokoa tamin’ny zava-nitranga ka noho izany, manameloka tanteraka ny tandrevaka sy ny tsy fandraisana andraikitra nahatonga ireny izahay”, hoy ny […]

Fifanosehana teny Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana !

Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay fifanosehana mahatsiravina, teny Mahamasina, ny zoma lasa teo. Mandray an-tanana ny famotorana ny Emmo/Far Antananarivo. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana, ny sa­botsy 26 aogositra teo, mahakasika ny tranga namoizan’ aina olona teny amin’ny kianja Barea. “Ny fanadihadiana no hamatarana ny fizotry ny loza […]

INDRAY MIJERY

Filoha mpitarika ny Seces sampana Anta­nanarivo. Mitaky fisaonam-pirenena manoloana ny famoizana aina maro, vokatry ny fifanosehana niseho, nandritra ny lanonana fisantarana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teny Mahamasina izy ireo. Mirary fahasitranana ho an’ireo mbola mitsabo ary miara-miory amin’ireo namoy havana izy ireo. Anio no hanapaka ny tohin’ny hetsika ny […]

Avy amin’ny volan’ny kaominina : nahavita fotodrafitrasa maro Ambatoboeny

Mametraka fomba fiasa madio sy mangarahara mampandray andraikitra ny daholobe ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambatoboeny, Rako­tonandrasana Jean Valerien. Isan-taona, mahatsangana fotodrafitrasa avy amin’ny volan’ny kaomina madiodio izy sy ny ekipany. Notokanana ny herinandro teo ny sekoly tao amin’ny fokontany Anka­rambilo. Raha itodihana ny zava-bita nandritra ny fe-potoam-piasany indroa nisesy, miroso […]

67ha : nodiovina ny faritra eny amin’ny Parking

Nodiovina ny lalana sy ny faritra eny amin’ny Parking 67 ha Avaratra Atsinanana, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny Association des jeunes forts pour le développement de Madagascar miaraka amin’ny « les abonnés », mpampiasa ny fiantsonana. « Ho fanampiana ny mpitantana eo anivon’ny kaominina amin’ny fanadiovana ny tanàna […]