Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Tovovavy iray tsy ampy taona nahatraran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina rongony 659 kilao, ny alarobia teo, teny By Pass. Vo­katry ny angom-baovao mari-pototra, nanao be midina nijery ny teny an-toerana ny tomponandraikitra. Renim-pianakaviana iray nikasa hamono tena hiaraka tamin’ny zanany vavikely, teny Anosizato Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. […]

Nafenina tanaty gony : basy kalachnikov sy basim-borona roa hitan’ny zandary

Basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny basim-borona roa no hita nofonosina tao anaty gony ary nafenina anaty lavaka tao Tsipan­galava fokontany Miadam­paonina, kaominina amba­nivohitr’Ambandrika, afakomaly. Nahitana fitaovan-dakozia toy ny sotro sy vilia ary vilany nofehezina anaty lamba koa niaraka tamin’ireo fitaovam-pidiana ireo. Fan­tatra, araka ny fanazavan’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny […]

Lalam-pirenena fahefatra : nosokirina tao anaty kamiao ny fatin’ilay mpamily

Namoizana ain’olona indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Kamiao lehibe roa nifandona . Vokany, namoy ny ainy ny mpamily iray, 53 taona. Nifampisokirina tao ana­tin’ny kamiao nentiny, ny fatin’ny mpamily iray niharan-doza teo amin’ny RN4, PK 202+500, fokontany Manjaka Avaradrano, kaominina Ma­ha­tsinjo, Distrika Maevatanana, omaly maraina. Niala an’Anta­nanarivo nikasa hihazo […]