Olona iray maty tsy tra-drano tao amin’ny fokontany Mamono, kaominina ambanivohitr’i Morombe, Toliara, afakomaly. Notifirina lehilahy iray tao anaty haizina izy raha iny nivoaka ho any amin’ny toeram-pivoahana iny. Naheno poa-basy ny fokonoloka ka nanenjika ilay jiolahy. Tratra ihany izy. Tafasitrika tany ambany taksiborosy Sprinter tao Maromaniry, fokontany Amparafara, kaominina […]
Auteur/autrice : Adnews
Moto nifandona : olona roa niara-maty, roa hafa naratra mafy
Mpandeha moto roa maty tsy tra-drano teny amin’ny RN 44, PK 19+870, fokontany Marovoay, kaominina Moranono gare, distrikan’i Moramanga, omaly atoandro. Scooter nentina roa lahy avy any Moramanga hihazo an’Ambatondrazaka nifandona tampoka tamin’ny moto Honda. Nandeha mafy ilay mpitondra moto scooter. Tsy voafehin’ity farany intsony ny familiana ka nifatratra tamin’io […]
Fisorohana korontana : hahetsika ny Emmo/Nat
Hiatrana eny an-kianja rehetra eny. Nivory maika teny Ankadilalana ny eo anivon’ny “Etat-major mixte opérationnel national – Emmo/Nat”, afakomaly alina. Anisan’ny nitarika izany ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana rehetra, notarihin’ny minisitra isany, ny Fiarovam-pirenena, ny Filaminam-bahoaka ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandary. Voaresaka ny fametrapetrahana […]
Iray maty, iray naratra : mpirahalahy mamo, nifanindrona antsy
Nifamaly sy nifanindrona antsy vokatry ny toaka izy mirahalahy. Maty ny zokiny, naratra voafira teo amin’ny lohany ilay zandriny. Nitolo-batana teny amin’ny zandary ity farany. Zava-doza ny nateraky ny fifandirana teo amin’ny samy mpirahalahy tao Seranana, fokontany Lazaina, kaominina Fanjakana, distrikan’Isandra, afakomaly. Samy nisotrosotro zava-mahamamo izy mirahalahy ireto sy ny […]




