Auteur/autrice : Adnews

Fakana an-keriny: telo maty voatifitra, fito voasambotra

Lavon’ny bala ny telo tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny nokarohina tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny 19 aogositra teo. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny dahalo sady mpaka an-keriny telo lahy tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Antanetibe, kaominina Beronono, distrika Anjo­­zorobe, afakomaly. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana […]